Boky faharoan'ny Mpanjaka 14:6
Ary nony ren’ i Ahia ny fingodongodon’ ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin’ i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 14
Cross References
1 Samuel 15:26Fa hoy Samoela tamin’ i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin’ i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely intsony.
1 Kings 13:20Ary raha mbola nipetraka teo amin’ ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin’ ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin’ i Jehovah;
1 Kings 14:5Ary Jehovah efa nilaza tamin’ i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin’ i Jeroboama hanontany anao ny amin’ ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.
1 Kings 20:42Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.
1 Kings 22:8Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak’ i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin’ i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
Psalms 33:10Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.