Boky faharoan'i Samoela 15:26
Fa hoy Samoela tamin’ i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin’ i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin’ i Saoly ny sisin’ akanjony ka triatra.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 15
Cross References
Genesis 43:11Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin’ ny tany ka ataovy ao anatin’ ny fitondran-entanareo, dia ento midìna haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;
1 Samuel 13:14Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin’ i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian’ i Jehovah anao ianao.
1 Samuel 15:31Ary Samoela dia niverina nanaraka an’ i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah.
2 Samuel 7:15nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin’ i Saoly, izay nesoriko teo alohanao.
Hosea 4:6Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan’ Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
Luke 24:28Ary efa mby teo akaikin’ ny vohitra izay efa halehan’ izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.