Boky faharoan'ny Mpanjaka 15:13
Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 15
Cross References
Exodus 32:20Dia nalainy ilay ombilahy kely izay efa nataon’ ny olona ka nodorany tamin’ ny afo, ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny tambonin’ ny rano ka nampisotroiny ny Zanak’ Isiraely.
Deuteronomy 7:5Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin’ ny afo.
Deuteronomy 13:6Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin’ i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin’ ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin’ ny lalana izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Joshua 6:24Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin’ ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.
1 Kings 15:2Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin’ i Absaloma.
2 Kings 10:26Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon’ i Bala izy ka nandoro ireny.