The Bible Software
bible.software › Boky faharoan'ny Mpanjaka › Boky faharoan'ny Mpanjaka 17 › Boky faharoan'ny Mpanjaka 17:12

Boky faharoan'ny Mpanjaka 17:12

Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan’ ila ao amin’ ny barika sy diloilo kely foana ao amin’ ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And she said, As the LORD thy God liveth, I have not a cake, but an handful of meal in a barrel, and a little oil in a cruse: and, behold, I am gathering two sticks, that I may go in and dress it for me and my son, that we may eat it, and die.

In Context

11Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho.

13Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.

Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 17

Cross References

Genesis 21:16Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan’ ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.

1 Samuel 14:45Fa hoy ny vahoaka tamin’ i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin’ ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ ny tany, fa niara-niasa tamin’ Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an’ i Jonatana, ka dia tsy maty izy.

1 Samuel 20:21Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin’ ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin’ ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah.

1 Samuel 26:10Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin’ ny ady izy, ka any no hahafaty azy.

1 Kings 17:1Ary Elia Tisbita, isan’ ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin’ i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin’ izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.

Jeremiah 4:2Fa hianiana amin’ ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain’ ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky faharoan'ny Mpanjaka 17:12

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky faharoan'ny Mpanjaka 17:11Boky faharoan'ny Mpanjaka 17Boky faharoan'ny Mpanjaka 17:13 →