Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:12
Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin’ ny Fanahin’ i Jehovah any amin’ izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’ i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an’ i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 18
Cross References
1 Samuel 2:26Ary Samoela zaza nitombo, sady tian’ i Jehovah sy ny olona koa izy.
1 Samuel 16:2Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren’ i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah aho.
2 Kings 2:11Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin’ ny tafio-drivotra ho any an-danitra.
2 Chronicles 34:3Fa tamin’ ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an’ Andriamanitr’ i Davida rainy; ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo kosa dia niantomboka nanadio an’ i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra an-idina intsony.
Psalms 71:17Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
Ecclesiastes 7:18Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin’ itsy; fa izay matahotra an’ Andriamanitra dia ho afaka amin’ izany rehetra izany.