Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:40
Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin’ i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin’ ny olona izy; ary nentin’ i Elia ho eo amin’ ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
41Ary hoy Elia tamin’ i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 18
Cross References
Deuteronomy 13:5Manaraha an’ i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
Deuteronomy 18:20Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ ny anaran’ andriamani-kafa, dia hatao maty.
Judges 4:13Dia nangonin’ i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan’ ny Jentilisa, hankany amin’ ny ony Kisona.
1 Kings 19:1Dia nolazain’ i Ahaba tamin’ i Jezebela izay rehetra nataon’ i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin’ ny sabatra.
2 Kings 10:25Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin’ ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midìra, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin’ ny tanàna nisy ny tranon’ i Bala.
2 Chronicles 23:17Ary ny vahoaka vehetra niditra tao an-tranon’ i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron’ i Bala, novonoiny teo anoloan’ ny alitara.