Bokin'ny Deoteronomia 18:20
Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ ny anaran’ andriamani-kafa, dia hatao maty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 18
Cross References
Deuteronomy 13:6Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin’ i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin’ ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin’ ny lalana izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
1 Kings 13:19Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
1 Kings 18:27Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.
Jeremiah 2:8Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin’ ny anaran’ i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.
Jeremiah 14:15Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ireo mpaminany izay maminany amin’ ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin’ ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
Jeremiah 23:31Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.