Boky faharoan'ny Mpanjaka 2:24
Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Ary Solomona mpanjaka naniraka an’ i Benaia, zanak’ i Joiada; ary izy namely azy ho faty.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 2
Cross References
1 Samuel 25:28Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan’ ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin’ i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin’ ny andro rehetra iainanao.
2 Samuel 7:27Fa Hianao, Jehovah Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin’ ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon’ ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.
1 Kings 1:29Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin’ ny fahoriana rehetra,
1 Kings 1:52Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.
1 Kings 10:9Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely; fa noho ny fitiavan’ i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
1 Chronicles 17:17Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin’ ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon’ ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.