Boky faharoan'ny Mpanjaka 2:23
Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin’ i Jehovah hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 2
Cross References
1 Samuel 14:44Dia hoy Saoly: Hataon’ Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana.
2 Samuel 3:35Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an’ i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
1 Kings 19:2Ary Jezebela naniraka olona tany amin’ i Elia hanao hoe: Hataon’ ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain’ ny anankiray amin’ ireny ny ainao raha maraina toy izao.
2 Kings 6:31Dia hoy izy: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan’ i Elisa, zanak’ i Safata.
Psalms 140:9Jehovah ô, aza manome ny irin’ ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy. [Sela.]
Proverbs 20:2Ny fampitahoran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin’ ny ainy,