Boky faharoan'ny Mpanjaka 2:33
Eny, ny ran’ izy roa lahy ireo hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny lohan’ ny taranany mandrakizay; fa amin’ i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin’ ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 2
Cross References
Genesis 42:22Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin’ ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao.
Judges 9:24mba hitsingerenan’ ny loza natao tamin’ ny namonoana ny zanak’ i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an’ i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.
2 Samuel 3:29Hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’ izany; ary tsy ho tapaka amin’ ny taranak’ i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin’ ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
1 Kings 2:44Ary hoy koa ny mpanjaka tamin’ i Simey: ianao mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin’ i Davida raiko, eny, tsaroan’ ny fonao izany, ka dia hatsingerin’ i Jehovah amin’ ny lohanao ny haratsianao.
2 Kings 5:27Koa ny habokan’ i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.
Psalms 21:4Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.