Boky voalohan'ny Tantara 5:27
Koa ny habokan’ i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 5
Cross References
Exodus 20:5Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy;
Numbers 12:10Ary ny rahona niala tamin’ ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an’ i Miriama, ka indro fa boka izy.
1 Samuel 2:30Koa izany no anaovan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
2 Kings 5:1Ary Namàna, komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan’ ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen’ i Jehovah an’ i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
Isaiah 59:2Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’ Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
Malachi 2:3Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin’ ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.