Boky faharoan'ny Mpanjaka 2:9
Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin’ ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ka nalevina ao an-Tanànan’ i Davida.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 2
Cross References
Genesis 9:6Izay mandatsaka ny ran’ olona, dia mba halatsak’ olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik’ Andriamanitra no nanaovany ny olona.
Genesis 44:31koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin’ ny mpanomponao rainay ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ alahelo.
Exodus 22:27Aza miteny ratsy an’ Andriamanitra ianao, na manozona ny mpanapaka ny firenenao.
Numbers 32:23Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin’ i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.
1 Kings 2:6Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ ny fiadanana ny volo fotsiny.
1 Kings 3:28Ary raha ren’ ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon’ ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren’ Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.