Boky faharoan'ny Mpanjaka 22:11
Ary Zedekia, zanak’ i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 22
Cross References
Jeremiah 23:16Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’ i Jehovah.
Jeremiah 23:25Efa reko ny nolazain’ ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin’ ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.
Jeremiah 27:2Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Manaova famatorana sy zioga ianao, ka ataovy eo am-bozonao,
Jeremiah 28:10Dia nesorin’ i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ ny vozon’ i Jeremia mpaminany ka notapahiny.
Ezekiel 13:6Mahita zava-poana sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin’ i Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatòvan’ ny teny
Micah 3:11Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.