Boky faharoan'ny Mpanjaka 22:10
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda, samy nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany avy teo amin’ ny famoloana eo anoloan’ ny vavahadin’ i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 22
Cross References
1 Kings 22:6Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an’ i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
2 Chronicles 18:9Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda, samy nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany avy teo amin’ ny famoloana eo anoloan’ ny vavahadin’ i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.
Esther 6:8aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;
Ezekiel 13:1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Matthew 11:8Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa va? Indro, ny mitafy soa dia ao an-tranon’ ny mpanjaka.
Acts 25:23Ary nony ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin’ ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin’ ny trano fihaonana niaraka tamin’ ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nentina nankeo Paoly araka ny didin’ i Festosy.