Boky faharoan'ny Mpanjaka 22:48
Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 22
Cross References
Genesis 27:37Dia namaly Isaka ka nanao tamin’ i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?
2 Samuel 8:14Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon’ i Davida. Ary Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
1 Kings 9:28Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin’ i Solomona mpanjaka izany.
2 Kings 3:9Dia nandeha ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny mpanjakan’ ny Joda ary ny mpanjakan’ i Edoma; ary nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an’ ny miaramila sy ny biby fiompy izay nentiny.
2 Chronicles 9:21Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin’ ny mpanompon’ i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian’ ny sambon’ i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.
2 Chronicles 20:35Nefa nony afaka izany, Josafata, mpanjakan’ ny Joda, nikambana tamin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Isiraely, izay nanao ratsy;