Boky voalohan'ny Tantara 3:9
Dia nandeha ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny mpanjakan’ ny Joda ary ny mpanjakan’ i Edoma; ary nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an’ ny miaramila sy ny biby fiompy izay nentiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ary hoy izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr’ i Edoma.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 3
Cross References
Exodus 11:8Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin’ i Farao tamin’ ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
Exodus 17:1Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron’ i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin’ ny olona.
Numbers 20:4Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’ i Jehovah ho amin’ ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?
Numbers 33:14Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin’ ny olona.
1 Kings 22:27ka lazao hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
1 Kings 22:48Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana.