Boky faharoan'ny Mpanjaka 22:5
Ary hoy Josafata tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Jehoshaphat said unto the king of Israel, Enquire, I pray thee, at the word of the LORD to day.
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 22
Cross References
Numbers 27:21Ary Josoa hijanona eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ ny fitsaran’ i Orima eo anatrehan’ i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
Judges 1:1Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny Kananita ho anay?
Judges 20:23Ary niakatra ny Zanak’ Isiraely ka nitomany teo anatrehan’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro, dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.
1 Samuel 14:18Dia hoy Saoly tamin’ i Ahia: Ento etỳ ny fiaran’ Andriamanitra (fa teo amin’ ny Zanak’ Isiraely ny fiaran’ Andriamanitra fahizany).
1 Samuel 23:4Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
1 Samuel 30:8Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.