Boky faharoan'ny Mpanjaka 6:5
Ary tamin’ ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin’ ny ati-trano lehibe, na amin’ ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ary ny varavarankelin’ ny trano nataony makarakara tsy mivoha.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 6
Cross References
Leviticus 16:2dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin’ ny fitoerana masìna izy; dia ao anatin’ ny efitra lamba, eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin’ ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin’ ny rahona eo ambonin’ ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.
1 Kings 6:16Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin’ ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin’ ny vodirindrina ka hatramin’ ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masìna indrindra.
1 Kings 6:31Ary ny varavarana mankao amin’ ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin’ ny sakan-trano.
1 Chronicles 23:28Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak’ i Arona amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ireo kianja sy efi-trano tao ary amin’ ny fanadiovana ny zavatra masìna rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra,
2 Chronicles 4:20ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan’ ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara;
2 Chronicles 5:9Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin’ ny fiara eo anoloan’ ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.