Boky faharoan'ny Mpanjaka 6:16
Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin’ ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin’ ny vodirindrina ka hatramin’ ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masìna indrindra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ary ny lavan’ ny ati-trano lehibe teo anoloan’ io dia efa-polo hakiho.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 6
Cross References
Exodus 25:21Ary apetraho eo ambonin’ ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin’ ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.
Exodus 26:33Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ ny farango; ary ampidiro ao anatin’ ny efitra lamba ny fiaran’ ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masìna sy ny fitoerana masìna indrindra ho anareo.
1 Kings 6:5Ary tamin’ ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin’ ny ati-trano lehibe, na amin’ ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;
1 Kings 8:6Ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nampidirin’ ny mpisorona ho ao amin’ ny fitoerany tao anatin’ ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, teo ambanin’ ny elatry ny kerobima,
Ezekiel 41:4Dia norefesiny ny lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan’ ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masìna indrindra.
Hebrews 9:3Ary ao anatin’ ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe “ny fitoerana masìna indrindra,”