Boky faharoan'ny Mpanjaka 8:1
Ary tamin’ izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon’ ny Isiraely sy ny lohan’ ny firenena rehetra, dia ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan’ i Davida.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 8
Cross References
Joshua 23:2dia nantsoin’ i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana,
2 Samuel 5:7Kanjo afak’ i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’ i Davida izany).
2 Samuel 6:6Ary nony tonga teo amin’ ny famoloan’ i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin’ ny fiaran’ Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran’ ny omby ny fiara.
1 Kings 2:10Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ka nalevina ao an-Tanànan’ i Davida.
1 Chronicles 11:7Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan’ i Davida
1 Chronicles 15:3Dia novorin’ i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran’ i Jehovah ho any amin’ ny fitoerana izay namboariny ho azy.