Boky faharoan'ny Mpanjaka 8:13
Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I have surely built thee an house to dwell in, a settled place for thee to abide in for ever.
In Context
12Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin’ ny aizim-pito Izy.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 8
Cross References
Exodus 15:17Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin’ ny tendrombohitra lovanao, ao amin’ ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin’ ny fitoerana masìna naorin’ ny tananao, Tompo ô.
1 Chronicles 17:12dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.
1 Chronicles 28:6Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.
1 Chronicles 28:20Ary hoy koa Davida tamin’ i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon’ i Jehovah.
Psalms 78:68Fa nifidy ny firenen’ i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
Psalms 132:14Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.