Boky faharoan'ny Mpanjaka 8:29
mba hihiratan’ ny masonao andro aman’ alina amin’ ity trano ity, dia amin’ ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon’ ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 8
Cross References
Deuteronomy 12:5Fa ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.
Deuteronomy 12:14fa eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah ihany amin’ ny firenenao anankiray no hanateranao azy, sady eo koa no hanaovanao izay rehetra andidiako anao.
Deuteronomy 16:6fa eo amin’ ny fitoerana izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta.
1 Kings 8:16Hatramin’ ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran’ ny anarako; fa nifidy an’ i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
1 Kings 8:52mba hihiratan’ ny masonao amin’ ny fifonan’ ny mpanomponao sy ny fifonan’ ny Isiraely olonao hihaino azy amin’ izay rehetra iantsoany Anao.
1 Kings 11:36Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an’ i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.