Boky faharoan'ny Mpanjaka 8:3
Ary tonga ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ary ny mpisorona no nitondra ny fiara;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And all the elders of Israel came, and the priests took up the ark.
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 8
Cross References
Numbers 4:15Ary rehefa vitan’ i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masìna sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak’ i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masìna izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan’ ny taranak’ i Kehata.
Deuteronomy 31:9Dia nosoratan’ i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak’ i Levy, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra.
Joshua 3:6Ary niteny tamin’ ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran’ ny fanekena, ka mità eo anoloan’ ny olona. Dia nitondra ny fiaran’ ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan’ ny olona.
Joshua 4:9Ary vato roa ambin’ ny folo no natsangan’ i Josoa teo Jordana, teo amin’ ilay nijoroan’ ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
2 Samuel 6:12Ary nambara tamin’ i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan’ i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran’ Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran’ Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon’ i Obed-edoma ho any an-Tanànan’ i Davida.
1 Chronicles 15:11Ary Davida niantso an’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,