Boky faharoan'ny Mpanjaka 8:41
Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ ny tany lavitra noho ny amin’ ny anaranao izy
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
40mba hatahorany Anao amin’ Izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ ny tany nomenao ny razanay.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 8
Cross References
Exodus 18:8Ary nambaran’ i Mosesy tamin’ ny rafozany izay rehetra efa nataon’ i Jehovah tamin’ i Farao sy tamin’ ny Egyptiana noho ny amin’ ny Isiraely, mbamin’ ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen’ i Jehovah azy.
Numbers 15:29Lalàna iray ihany no hatao amin’ izay manota tsy nahy, na amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny vahiny eo aminareo.
Ruth 2:11Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan’ ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin’ ny firenena tsy mbola fantatrao.
2 Kings 5:1Ary Namàna, komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan’ ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen’ i Jehovah an’ i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
2 Chronicles 6:32Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ ny tany lavitra noho ny amin’ ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
Isaiah 56:6Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’ i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’ i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masìna sady mitana ny fanekeko