Boky faharoan'ny Mpanjaka 8:58
mba hampanatoniny Azy ny fontsika handehanantsika amin’ ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 8
Cross References
Deuteronomy 4:45Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
Psalms 110:3Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.
Song of Solomon 1:4Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin’ ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
Ezekiel 36:26Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
Hebrews 13:21Izy anie hahatanteraka anareo amin’ ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.