Boky faharoan'ny Mpanjaka 9:7
dia hofongorako tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an’ ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 9
Cross References
Leviticus 18:24Aza mandoto ny tenanareo amin’ izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
Deuteronomy 28:37Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin’ ny firenena rehetra izay hitondran’ i Jehovah anao.
Joshua 23:16Amin’ izay hivadihanareo ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa nomeny anareo.
2 Kings 17:20Dia narian’ i Jehovah ny taranak’ Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan’ ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
2 Kings 25:9ka nandoro ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ ny afo avokoa.
2 Chronicles 7:20dia hongotako amin’ ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an’ ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra.