Bokin'i Josoa 23:16
Amin’ izay hivadihanareo ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa nomeny anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 4:25Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin’ ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
Deuteronomy 6:15fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran’ i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin’ ny tany ianao.
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Judges 2:20Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
1 Kings 9:6Fa raha miala amin’ ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
2 Kings 24:20Fa ny fahatezeran’ i Jehovah no nahatongavan’ izany tamin’ i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Babylona.