Boky faharoan'i Samoela 10:22
Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin’ ny entana izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 10
Cross References
Judges 1:1Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny Kananita ho anay?
Judges 20:23Ary niakatra ny Zanak’ Isiraely ka nitomany teo anatrehan’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro, dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.
1 Samuel 9:21Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin’ ilay kely indrindra amin’ ny firenen’ Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin’ ny mpianakavin’ ny firenen’ i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao?
1 Samuel 23:2Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin’ i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.
1 Samuel 23:9Ary fantatr’ i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin’ i Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.
1 Samuel 30:7Ary hoy Davida tamin’ i Abiatara mpisorona, zanak’ i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny efoda. Dia nentin’ i Abiatara teo amin’ i Davida ny efoda.