Boky faharoan'i Samoela 12:24
Kanefa matahora an’ i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin’ ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 12
Cross References
Deuteronomy 10:21Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan’ ny masonao.
Deuteronomy 29:2dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny.
2 Kings 17:39Fa Jehovah Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin’ ny tanan’ ny fahavalonareo rehetra.
Job 28:28Dia hoy Izy tamin’ ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ ny ratsy no fahalalana.
Psalms 119:80Aoka ho marina tsara ny foko amin’ ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
Proverbs 1:7Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy.