Boky faharoan'i Samoela 14:15
Koa nisy hovitra tao amin’ ny toby tany an-tsaha sy tamin’ ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin’ ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 14
Cross References
Genesis 35:5Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin’ Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak’ i Jakoba izy.
Leviticus 26:36Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
Judges 7:21Ary samy nijanona teo amin’ ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra.
1 Samuel 13:23Ary ny avy tao amin’ ny miaramilan’ ny Filistina nivoaka ho ao amin’ ny hadilanana mankany. Mikmasy.
2 Kings 7:6Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan’ ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan’ ny soavaly, dia ny firodondrodon’ ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan’ ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Egyptiana hiady amintsika.
Job 18:11Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin’ ny alehany rehetra.