Boky faharoan'i Samoela 15:20
Fa hoy Saoly tamin’ i Samoela: Efa nihaino ny feon’ i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin’ izay nanirahan’ i Jehovah ahy ary nitondra an’ i Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 15
Cross References
1 Samuel 15:3Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’ osy, na rameva, na boriky.
1 Samuel 15:13Ary Samoela tonga teo amin’ i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin’ i Jehovah aho.
Job 34:5Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin’ Andriamanitra tamiko ny rariny;
Job 40:8Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
Luke 10:29Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Iza ary no namako?
Romans 10:3Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra.