Boky faharoan'i Samoela 15:6
Ary hoy Saoly tamin’ ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin’ ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak’ Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin’ ny Amalekita ny Kenita.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan’ ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.
7Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin’ ny lalana mankany Sora izay tandrifin’ i Egypta.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 15
Cross References
Genesis 18:25Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
Exodus 18:9Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon’ i Jehovah tamin’ ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana.
Numbers 10:29Dia hoy Mosesy tamin’ i Hobaba, zanak’ i Regoela Midianita, rafozan’ i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin’ ny tany izay nolazain’ i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin’ ny Isiraely.
Numbers 16:34Ary ny Isiraely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao hitelina antsika koa ny tany.
Judges 1:16Ary ny taranak’ ilay Kenita, zaodahin’ i Mosesy dia niara-niakatra tamin’ ny taranak’ i Joda niala tao amin’ ny tanàna be rofia hankany an-efitr’ i Joda, atsimon’ i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin’ ny Isiraely.
Judges 5:24Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin’ i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.