Boky faharoan'i Samoela 17:34
Fa hoy Davida tamin’ i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak’ ondry teo amin’ ny ondry,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 17
Cross References
Genesis 31:39Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.
1 Samuel 17:15fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin’ i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema.
2 Samuel 23:20Ary Benaia, zanak’ i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin’ ilay andro nisy oram-panala iny;
Psalms 143:5Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan’ ny tananao no eritreretiko.
Amos 3:12Izao no lazain’ i Jehovah: Toy ny famonjin’ ny mpiandry ondry ny tongotr’ ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan’ ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak’ Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin’ ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
Zechariah 11:16Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.