Boky faharoan'i Samoela 17:43
Ary hoy ilay Filistina tamin’ i Davida: Alika angaha aho, no hatonin’ ialahy amin’ ny tehina? Ary nanozona an’ i Davida tamin’ ireo andriamaniny ilay Filistina
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 17
Cross References
Genesis 27:29Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon’ ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
Numbers 22:11Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
1 Samuel 24:14Araka ny lazain’ ny ohabolan’ ny ntaolo hoe: Avy amin’ ny ratsy fanahy no ivoahan’ ny ratsy, nefa ny tanako tsy haninona anao.
2 Samuel 3:8Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin’ Isboseta, ka hoy izy: Lohan’ alika no miandany amin’ ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan’ i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan’ i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin’ iny vehivavy iny?
2 Samuel 16:9Ary hoy Abisay, zanak’ i Zeroia, tamin’ ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany.
Proverbs 26:2Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.