Boky faharoan'i Samoela 19:10
Ary Saoly nihendry hamely an’ i Davida tamin’ ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin’ ny rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan’ i Saoly, ka ny rindrina no voan’ ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin’ iny alina iny ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 19
Cross References
1 Samuel 18:11Dia natorak’ i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an’ i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin’ ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
1 Samuel 20:33Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr’ i Jonatana fa nofofoin’ ny rainy hovonoina Davida.
Psalms 18:17Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy;
Psalms 37:32Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.
Proverbs 21:30Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah.
Hosea 6:4Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.