Boky faharoan'i Samoela 19:20
Ary Saoly naniraka olona hisambotra an’ i Davida; ary nony hitan’ ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin’ ny irak’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka dia mba naminany koa izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Ary nisy nanambara tamin’ i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 19
Cross References
Numbers 11:25Ary nidina teo amin’ ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin’ i Mosesy ka napetrany tao amin’ ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
1 Samuel 10:6Ary hilatsaka aminao ny Fanahin’ i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao.
1 Samuel 19:11Ary Saoly naniraka olona hankany amin’ ny tranon’ i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin’ i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hatao maty raha maraina.
John 7:45Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?
1 Corinthians 14:24Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan’ ny anatra ataon’ izy rehetra izy sady hotsarain’ izy rehetra;