1 Samuel 2:21
Ary Jehovah namangy an’ i Hana, ka dia nanan’ anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 21:1Ary Jehovah namangy an’ i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon’ i Jehovah tamin’ i Saraha araka ilay efa noteneniny.
1 Samuel 1:19Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an’ i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.
1 Samuel 3:19Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
Proverbs 3:4Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ianao.
Luke 1:80Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan’ ny andro nisehoany tamin’ ny Isiraely.
Luke 2:52Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona.