1 Samuel 21:2
Ary Davida tonga tany Noba, tany amin’ i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin’ i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Dia nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tanàna.
Cross References
Genesis 27:20Ary hoy Isaka tamin’ ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.
1 Samuel 19:17Dia hoy Saoly tamin’ i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin’ i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
1 Samuel 22:22Ary hoy Davida tamin’ i Abiatara: Fantatro androtr’ iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin’ i Saoly tokoa; koa izaho no anton’ ny nahafaty ny olona rehetra tamin’ ny tarana-drainao.
Nehemiah 11:32ary tany Anatota sy Noba sy Anania
Isaiah 10:32Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy, dia ny havoan’ i Jerosalema.
Colossians 3:9Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ ny asany;