Boky faharoan'i Samoela 22:1
Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin’ ny zohin’ i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 22
Cross References
Genesis 38:1Ary tamin’ izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin’ ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
Joshua 15:35sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
1 Samuel 24:4Ary tonga teo amin’ ny valan’ ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin’ ny zohy.
1 Chronicles 11:15Ary nisy telo lahy malaza tamin’ ny telo-polo nidina nankeo amin’ ny vatolampy ho any amin’ i Davida tamin’ ny zohin’ i Adolama; ary ny miaramilan’ ny Filistina nitoby tao amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
Psalms 57:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida tamin’ ny nandosirany an’ i Saoly tao anaty zohy.
Micah 1:3Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin’ ny fitoerany Ary midìna ka mandia ny havoana amin’ ny tany.