Boky faharoan'i Samoela 22:19
Dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan’ ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman’ osy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 22
Cross References
Joshua 6:21Ary naringany tamin’ ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman’ osy, na boriky.
1 Samuel 15:8Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany tamin’ ny lelan-tsabatra.
1 Samuel 21:1Dia nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tanàna.
1 Samuel 22:11Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an’ i Ahimeleka mpisorona, zanak’ i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin’ ny mpanjaka izy rehetra.
Isaiah 10:32Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy, dia ny havoan’ i Jerosalema.
James 2:13Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’ izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.