Boky faharoan'i Samoela 22:18
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Doega: Mihodìna ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 22
Cross References
1 Samuel 2:18Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan’ i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy.
1 Samuel 2:30Koa izany no anaovan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
1 Samuel 2:36Ary ho avy izay sisa rehetra amin’ ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan’ ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
2 Chronicles 24:21Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah araka ny tenin’ ny mpanjaka.
Hosea 5:11Ampahorina Efraima sady voatorotoron’ ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin’ olombelona izy,
Micah 6:16Fa fatra-pitandrina ny lalàn’ i Omry Sy ny asan’ ny taranak’ i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan’ ny oloko ianareo.