Boky faharoan'i Samoela 25:22
Mba hataon’ Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon’ i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan’ ny andro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 25
Cross References
Ruth 1:17izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’ i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.
1 Samuel 14:44Dia hoy Saoly: Hataon’ Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana.
1 Samuel 20:16Ary dia nanao fanekena Jonatana ny amin’ ny taranak’ i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon’ i Davida.
1 Kings 16:11Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin’ ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin’ i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza, na tamin’ ny havany, na tamin’ ny sakaizany.
2 Kings 9:8Eny, ho fongotra ny taranak’ i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin’ ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin’ ny Isiraely;