Boky faharoan'i Samoela 25:36
Ary Abigaila dia tonga tao amin’ i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan’ ny mpanjaka, ary faly ny fon’ i Nabala tamin’ izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran’ ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan’ ny andro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 25
Cross References
2 Samuel 3:20Dia tonga tany amin’ i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an’ i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
2 Samuel 13:28Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’ i Amnona azon’ ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
Esther 1:3tamin’ ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben’ ny miaramilan’ i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin’ ireo komandin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakany;
Proverbs 20:1Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry.
Proverbs 23:34Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo.
Ecclesiastes 10:19Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.