Boky faharoan'i Samoela 26:24
Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan’ i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin’ ny fahoriana rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 26
Cross References
1 Samuel 24:16Aoka Jehovah no ho mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka hanafaka ahy amin’ ny tananao.
Psalms 18:1Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah, izay nilaza tamin’ i Jehovah ny tenin’ ity fihirana ity tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tanan’ i Saoly;
Psalms 18:48Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
Psalms 34:20Maro ny fahorian’ ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’ izany rehetra izany.
Psalms 144:2Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy
Matthew 7:2Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.