Boky faharoan'i Samoela 26:23
Ny lehilahy izay nanoloran’ i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 26
Cross References
1 Samuel 24:6Nefa nony efa vita izany, dia namely an’ i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly,
1 Samuel 24:11Indro, hitan’ ny masonao androany ny nanoloran’ i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin’ ny tompoko aho, fa voahosotr’ i Jehovah izy.
1 Samuel 26:11Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan’ ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.
2 Samuel 22:25Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.
Nehemiah 13:14Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin’ ny tranon’ Andriamanitro sy ny amin’ ny raharaha tokony hatao ao.
Psalms 7:8Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin’ ny avo eo amboniny Hianao,