Boky faharoan'i Samoela 26:6
Ary hoy Davida tamin’ i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin’ i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 26
Cross References
Genesis 15:20ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaïta
1 Samuel 14:6Ary hoy Jonatana tamin’ ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ ny miaramilan’ ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an’ i Jehovah tsy hamonjy, na amin’ ny maro, na amin’ ny vitsy.
2 Samuel 2:18Ary mba teo koa izy telo lahy zanak’ i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.
2 Samuel 11:21Fa iza no namely an’ i Abimeleka, zanak’ i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin’ ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
2 Samuel 12:9koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin’ i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin’ ny sabatry ny taranak’ i Amona izy.
2 Samuel 18:5Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin’ i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian’ ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin’ i Absaloma.