Boky faharoan'i Samoela 26:5
Dia niainga Davida ka tonga teo amin’ ny nitobian’ i Saoly; ary hitan’ i Davida izay nandrian’ i Saoly sy Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin’ ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 26
Cross References
1 Samuel 9:1Ary nisy lehilahy avy amin’ ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak’ i Abiela, zanak’ i Zerora, zanak’ i Bekorata, zanak’ i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe.
1 Samuel 17:20Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman’ olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’ i Jese azy; ary tonga teo amin’ ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon’ ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin’ izay.
2 Samuel 2:8Fa Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilan’ i Saoly, efa naka an’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,
2 Samuel 3:27Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.
1 Chronicles 9:39Ary Nera niteraka an’ i Kisy; ary Kisy niteraka an’ i Saoly; ary Saoly niteraka an’ i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.