Boky faharoan'i Samoela 30:1
Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin’ ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an’ i Ziklaga sy nandoro azy tamin’ ny afo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 30
Cross References
Joshua 11:6Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan’ ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin’ ny afo ny kalesiny.
1 Samuel 27:6Dia nomen’ i Akisy azy androtrizay Ziklaga; ka dia an’ ny mpanjakan’ ny Joda ambaraka androany Ziklaga.
1 Samuel 29:4Dia tezitra taminy ireo andrianan’ ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin’ ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin’ inona no hahazoan’ io sitraka amin’ ny tompony? Tsy amin’ ny lohan’ ireto olona ireto va?
1 Samuel 29:11Ary Davida sy ny olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin’ ny tanin’ ny Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela.
1 Chronicles 12:21Ary ireo dia nanampy an’ i Davida hamely ny antokon’ ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin’ ny miaramila.