Bokin'i Josoa 11:6
Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan’ ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin’ ny afo ny kalesiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 7:16Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
Joshua 10:8Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
Judges 20:28ary Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona, nijanona teo anoloany tamin’ izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy.
2 Samuel 8:4Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’ i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin’ ny kalesy zato ihany no navelany.
2 Chronicles 20:16Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin’ ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin’ ny faran’ ny lohasahan-driaka tandrifin’ ny efitr’ i Jeroela.
Psalms 27:1Nataon’ i Davida. Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko; iza no hangovitako?