Boky faharoan'i Samoela 30:22
Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an’ i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 30
Cross References
Judges 19:22Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin’ ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
1 Samuel 25:17Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan’ ny tompontsika mbamin’ ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
1 Kings 21:10Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.
Matthew 7:12Koa amin’ izany na inona na inona tianareo hataon’ ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.